Manitra anao

_ ry tanindrazako malala, embona anao

Manimanitra anao, matsiahitsiahy ny fanao

Ilay fombafombanao fahiny toa tsy mety hadino

Fa mbola mifikitra ato am-po lay tantara tsy voadino


_ gasikara tanindrazako, reharehan'ny taranako

Maro be ireo talenta, ireo harena izay fananako

Tsy avy aiza akory ireo fa avy amin'ny fahendrenao

Ireny teniteny rehetra, avy amin'ny fahaizanao


_ ry taniko malala, tanindrazako tsy foiko

Manitra anao aho ry tany toa nitoloiko

Ilay tavonikeliko notehirizanao ry tany

Ity nofoko rehefa hitsana, dia ao aminao ihany


Ny poeta

-ny poeta matoa miventso ho anao

Dia tiany sy faniriany ny hasambatra anao

Kanefa ianao tsy mba nanolotra fitia ho azy

Fa noraisinao ho toy ny vazivazy


- ireny kanto maro avoakan'ny vavany

Tsy navelany handalo fa nosoratan'ny tanany

Ireo tononkalo maro izay miresaka fitiavana

Tsy nataony an'olon-kafa fa ho an'ny olon-tiana


- ireny kalokalo maro, novetsoiny am-pitsikina

Manambara ilay fitia, manambara firalahina

Toa modianao tsy fantatra, toa tsy norarahianao

Kanefa natolony am-pitiavana, natolony ho anao


Kanto

_ hitoriako lay fitiavako, hizarako ny hasambarako

Ianao ry Kanto, kantokanton'ireo kalokalo

Hamoronako ny tsisy, hampiadiko izato rima

Tsy ialako, tsy an-kitsitsy, kantokanton'ny fitia


_ hitoriko hasambarana hizarako fiadanana

Omeko ny soa sy ny tsara, hatramin'ny tantara

Kanefa ekeko ihany fa sarotra ny maka anao

F'Ianao irery ihany, kantokanton-diteratiorako


Hanoratra ho anao

_ raisiko ny peniko

Fa sitraka sy teliko

Ny hanoratra indray

Fanantenana mampiray

_ ka indro fa hosoratako

'Lay lasa, ny tantarako

Ireo mba aingam-Panahy

Izay tsy an-kafa fa ahy

_ tsy mba poetan'ny poeta

Fa mba te hitetateta

Hizarazara aminao

Ireo kalo rehetra efa tao


Niafiko irery

_tsy ho haiko tsy fantatro

Ny mba nahazo ity foko

Fa toa naniry ka tia

Ka nampiafy,tsy anjara


_ fantatro, ary tsapako koa

Fa anatin'ny fo, lay fitia

Kanefa izy, tsy nanaiky

Tsy nekeny, ny mba ho ahy


_niafiko irery, aoka ho ahy

Tsy voatery, hiaraka izahay

zay safidiny, ka tsy lavina

Zay faniriany, ka tanterahina


Voromahilala roa

_ vao nahita, nifanojo, toa nifandray

Ka niserana, ny fo, nanaiky ny hiray

Nahatsapa, fa nisy, izany hoe fitia

Nampiaraka,nampiray,ny mpifankatia


_ nampanjaka,ilay fo, feno fitoniana

Nifanaja,nitampofo, fa eo lay anjara

Izany, ka fitia, narahim-pahendrena

Tsy mifanary, na mifanila, lay an'ny tena


_ voromahilala, roa, tsy mifanary

Manakatra ,ny loha,ka mifanampy

Mifanasoa ary miaraka, izy roa kely

Tsy mifandao, f'ilay fitia, toa tantely


Aleo ho ahy

_ fahiny aho lay nangataka fitia

Tsy nahazo satria ianao tsy irery

Efa nilaza fa manan'olon'ny fitia

Ka nandona mafy Tamiko lay teny


_ lay fitia niriako mba hampifaly

Toa mafy Tamiko tsy ho zakako

Nampitondra alahelo sy tomany

Fa tsy tanteraka ny ahy sy ianao


_ tsy nataoko hampakivy ela loatra

Fa aleoko notazomiko ho ahy irery

Henoko ihany ny foko nisandoatra

Kanefa niniako nafenina ireny


Tsy ho haiko

_ itako ny masonao, mangata-maso Tamiko

Naniry ny ho ahy, naniry ny ho eo akaikiko

Tsapako ny fonao, nitempo fitiavana ho ahy

Naniry ny mba ho lasako, ho silam-panahy


_ lay fihetsikao, lay firesakao, efa niova tanteraka

Rehefa tafaresaka tsika, toa mitsapa lay fitiavana

Kanefa raha ny Amiko, tsy hoe tsy matoky fa manahy

Hoe tena ianao marina ve no holazaiko fa ho ahy


_ manahy aho manahy mafy ka mieritreritra

Hoe maninona loatra ary aho no toa entitra

Tsy matoky anao toa tsy matoky tena

Fa toa mbola tsy hitako lay raozy mena


_ tsy ho aiko izay lazaina, tsy ho haiko zay ambara

Hoe ianao marina ve no holazaiko fa ho anjara

Tsy ho itako zay atao tsy ho fantatro ny ho avy

Fa omeo fitokiana aho ka dia ho avy any


_ satria na tia aza aho, tsy afaka ny hiteny

Fa tsy tiako hiverina ny olako tamin'ireny

Mba miangavy anao aho akia.

Omeo ahy ny toky mba ho tia


Mbola ho avy

_ ny fahaiza-mionona rehefa misy manjo

Ny fahaiza-miala ireny sakatsakam-bato

No mbola mampiavaka anao ry namana

Mampiavaka anao amin'ny fitiavana


_ ny fahaiza-mikiry rehefa tsy tiana

Fahaiza-mitazona ny faniriana

Hoe rehefa tsy izy dia olon-kafa

Any aoriana any ka mety ho tafa


_ aza entim-pahakiviana ny fahitana azy

Mampiaraka eny ho eny feno sangisangy

Fa zay zany no anjarany, tsy azonao toherina

Zay ny Aminy fa dia tsy ho azonao irina


_ mahereza ry ralahy, aza arahina alahelo

Ny fahitana azy roa nampiaraka teo

Aza asiana tomany, fa ataovy ao an-tsaina

Hoe ianao koa dia hanana raha mbola misy ny aina


Tsapako

_ tsy ilay bika aman'endrika miserana isan'andro

No tazako sy dinihiko rehefa mandalo

Fa lay toetranao mijery sy te hilaza

Hoe ny fonao ange nitempo fitiavana


_ izato fihetsikao izay te hilaza fa mbola tia

Mba te hampanjaka eto Amiko ilay fitia

Izato firesakao manambara fihetsem-po

Na izaho na ianao samy manana azy nitempo


_ tsapako sy fantatro, hoe ianao tia ahy

Ary tena faniriako hoe ianao no silam-panahy

Satria izay tsotra zao tsy fantatro hoe maninona

Fa tena tiako ianao, ka nahatonga ahy ho olom-banona


Mionona

Ry foko mionona fa aza mitanondrika

Mahatsiaro ho voadona sy toa voakika

Tsy ho anao izy fa sendra mba miserana

Nefa noheverinao fa izy no anjara.


Ry saiko mitonia, aza asiana alahelo

Ny nahitan'ny masoko azy vao teo

Niaraka tamin'iny lehilahy iray iny

Na dia mampatsiaro ny lasa sy ny fahiny.


Aleoko mionona irery fa tsy hitady mpampionona

Satria ny foko voadona ka mbola toa mivokona

Nialako moramora tao anaty ranomaso

Naleoko nisitaka, ka nakipiko ny maso


Aleoko mionona irery fa izay ny azy

Tapitra hatreo koa ireny vazivazy

Hitady vaovao aho hahasolo ny taloha

Mba hiova fitia vaovao,mendrika tokoa